Raiso, ry Tompo, 'ty tokantrano
1 Raiso, ry Tompo, 'ty tokantrano
 Nifanolo-tena sy nakambanao.
 Noho ny hasin'ny ran'i Jesoa Zanakao,
 Raiso ny fiainany tontolo.
Raiso miaraka amin'ny hôstia
'Zay atolotray:
Ho fo iray, fanahy iray eo aminao.
Aina tokoa no fetra, Tompo.
2 Raiso, ry Tompo, ny hafaliany,
 Ny fanantenany tsofy rano koa.
 'Reo zaza maro 'zay homenao azy, Tompo.
 Isaorany sy atolony anao.

