O ry vahoaka, mifalifalia

Nampiditra: Belle
Sokajy: Andriamanitra Ray,


  • Vavaka sy Hira p. "399
  • Fihirana Hasina p. "666
  • Fihirana Vaovao p. "17

(Iz. 12, 2-3, 4b-6)

Ô ry vahoaka mifalifalia,
Fa ho eto amintsika ny Avo indrindra.
 
1 Andriamanitra no heriko,
 Matoky aho tsy matahotra:
 Fa izy Tompo ianteherako, mamonjy ahy.
 
2 Derao ny Tompo Andriamanitra,
 Antsoy ny anarany masina:
 Lazao ny vahoaka ny asany, hobio Andriamanitra.
 
3 Ataovy antso eran-tany re,
 Fa Tompo tsitoha Andriamanitra:
 Mientàna, mihobia, ry Siôna, fa eto Andriamanitra.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0075 s.] - Hanohana anay