1 Ô, ry Andriamanitra Tompon'ny tontolo,
Mino 'zahay fa anao ny fiadanana:
'Ndreto 'zahay, henoy fa mitalaho aminao.
Mba omeo anay ilay fiadanana e, (indroa)
Zara lovanay tamin'i Jesoa Zanakao,
Fa mangetaheta azy mafy izahay:
Mba omeo anay, ry Tompo, 'lay fiadananao.
2 O ry Fanahy Masina iraky ny Ray,
Ny fitiavanao areheto eran-tany
Hanetsika anay hifamela sy hifankatia.
3 Isaoranay sy ankatoavanay anao
'Reo zava-maro nokarohin-tsainay:
Ampio 'zahay mba hahay mampiasa azy.
4 Lavitra anao, Tompo, nofy 'zay fiadanana,
'Zao fonay izao halalaho sy tsilovy,
Mba hahitanay fa ianao no loharanony.