Ny vavaka ataontsika
1 Ny vavaka ataontsika
 No fahafinaretana,
 Fa izy mampikambana
 Amin'ny Tompontsika.
 
Koa mivavaha tsara,
Ry kristianin-drehetra;
Ny fivavahana marina
No fahendrena tokoa.
 
2 Ny vavaka ataontsika
 No fahafinaretana
 Sy fehim-pihavanana
 Amin'ny Zanahary.
 
3 Ny vavaka ataontsika
 No fahafinaretana;
 Ny saina tsy mahatombana
 Ny soa be ataony.
 
4 Ny vavaka ataontsika
 No fahafinaretana
 Sy fototry ny soa
 Mahenika ny fo.
 
5 Ny vavaka ataontsika
 No fahafinaretana
 Fa izy no manala
 Ny alahelom-po.
 

