Ny taniko ny lanitra, ny razako ny kristianina,
Ny reniko Masina Maria, ny zokiko i Jesoa.
1 I Jesoa Tompoko, teraka ety an-tany
Ka nalahelo be sy nijaly tokoa:
Zanahary nandray ny fomban'olombelona,
Naka ny fombantsika, ka tsy havana va?
2 Tokan-dRay izahay: 'zaho zanaka natsangan'
Ny Zanahary Ray ho zandrin'i Jesoa;
Izy efa nandray ny lova homena ahy
Miray lova izahay, ka tsy zokiko va?
3 Hoy i Jesoa tamiko, tambonin'i Kalvery:
Ento ny reniko, izy no reninao.
Ary natsangany aho, izy nomeny ahy
Ka tsy marina va ny filazako hoe.