Ny masoandro raha takariva

Nampiditra: Belle
Sokajy: Vavaka hariva, Masina Maria,


  • Fihirana Vaovao p. "424
  • Vavaka sy Hira p. "565
  • Fihirana Hasina p. "652
  • Fihirana Dera p. "133

1 Ny masoandro raha takariva
 Manao veloma izao rehetra izao;
 Izaho kosa, ry Reny be fitia,
 Handao ity toeran-tsoa ity.
 
Masina Maria ô, tsofy rano aho,
Manao veloma ny ôtelinao.
Fa ny foko tsy mba handao anao
Fa ianao no Reny mamiko.

 
2 Ry Maria ô, ambeno re ny foko
 Tsy hanadino anao mandrakizay.
 Na aiza koa na aiza misy ahy,
 Tsy sahiko ny hisaraka aminao.
 
3 Veloma re, ry lapan'i Maria ô,
 Ny sarinao ho raikitra an-tsaiko;
 Raha misy izay alahelon'ny foko,
 Hisava re raha mahatisaro anao.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay