Akohokely latsaka an-kady

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fifonana,


  • Fihirana Hasina p. "645

1 Akohokely latsaka an-kady aho, ô ry Tompo,
 Hiantso, kely feo; hanidina, tapaka elatra
 Tolory tànana aho ka vonjeo
 Sao matin'ny vesa-pahotako
 Tompo ô, Tompo ô, mamindrà fo amiko. (indroa)
 
2 Tantely saraky ny ala aho, ry Kristy,
 Etý an-tany ngazana nilaozam-boninkazo
 Tolory tànana aho, ka vonjeo
 Sao matin'ny ngidim-pahotako
 Kristy ô, Kristy ô, mamindrà fo amiko. (indroa)
 
3 Tsiriry diso farihy aho, ry Tompo,
 Etý an-tany efitra, ny andro migaina
 Tolory tànana aho, ka vonjeo
 Sao matin'ny valim-pahotako
 Tompo ô, mamindrà fo amiko. (indroa)

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0071 s.] - Hanohana anay