1 Ny feonao miantso ahy, homeny hasoavam-be.
Izaho va tsy mba hanatona ny hamoram-panahinao?
Ô Jesoa, ny Fonao mirehitry ny fitiavanao anay,
Ka ny fonay ampireheto ny fitiavanay anao.
2 Izaho va halain-kandia ny lalam-be namboarinao,
Hitady ny harena masina atý an-tany ratsy atý?
3 Anao Jesoa Andriamanitra ny tenako sy ny foko;
Taniako ny taona lasana tsy nanompoako anao.
4 Hoentiko an-tany lavitra ny lazan'ny Fanahinao,
Ka ny Fonao be fiantrana hatoroko ny havako.