Ny fahatanorako
1 Ny fahatanorako
Entanin-kafaliana
Manatona ny ôtely
Akaikinao, ry Tompo.
Hanolotra an'i Jesoa
Hanolotra ny foko
Ho anao tontolo,
Ry Tompo be fitia.
2 Handray ny mofon'aina
Hahazo herim-po,
Hoentiko miady
Handresy an'i Satàna.
Ataoko sanatria
Izay handao anao;
Ny tànanao mahery
No tokin-janakao.