Nisy Arakanjely

Nampiditra: Belle
Sokajy: Masina Maria,


  • Fihirana Hasina p. "636
  • Vavaka sy Hira p. "617

1 Nisy Arakanjely
 Niarahaba anao;
 Tariho re 'zahay
 Mba hanetry tena.
 
Ave, ave, ave Maria!                      Laudate, laudate,
Ave, ave, ave Maria!      na hoe:     Laudate Mariam.

2 Novanginao, Maria,
 Ny renin'i Joany
 Ho fitaomana anay
 Mba hifankatia.

3 Naterakao i Jesoa
 Tao an-tranon'omby;
 Aza miraiki-po
 Amin'ny harena.

4 I Jesoa atolotra
 Anaty tempoly;
 Atolory azy
 Ny fontsika rehetra.

5 Very hateloana
 Ka hita indray;
 Fadio ny ota
 Halan'i Jesoa.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.2180 s.] - Hanohana anay