1 Nijaly sy maty ho anay ianao, Kristy ô,
Nitsangan-ko velona indray ianao, mba ho aina e,
Niakatra any an-danitra any, nanome ny Fanahy Masina.
2 Mbola ho avy indray ianao, Kristy ô,
Hitsara ny velona sy ny maty e:
Hiara-tsambatra aminao ny mpianatrao.
3 Izany no ambarany e, Kristy ô,
Mankalaza sorona velona sady masina e,
Orimbaton'ny famonjena anay avy aminao.