Natsanganay eo afovoan'ny Nosy

1 Natsanganay eo afovoan'ny Nosy
 Ny sarinao hanerinerina.
 Fa ianao no sitrakay, Maria ô,
 Ho tompovavin'i Madagasikara.
 
Hobio, derao 'lay Tompovavy (Hobio)
Hobio, ry Tanindrazako.        (Hobio)
Ny hirantsika tsy ho lefy        (Hobio)
An-tany sy an-danitra.           (Hobio)
 
2 Mba tsofy rano re ny Malagasy
 Ho firenena mandry fehizay:
 Hifankatia tokoa 'zahay, Maria ô,
 Handroso ara-nofo sy fanahy.
 
3 Ambeno re ity vahoakanao
 Ka mba arovy ambany elatrao
 Ny fahavalo ratsy re, Maria ô,
 Sakano tsy hanimba ny sainay.
 
4 Ny sarinao 'zay tafajoro izao
 Ho toa Fanilo hitari-dalana;
 Ka mba tantanonao 'zahay, Maria ô,
 Ho tonga soa am-paradisanao.


 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 629
Vavaka sy Hira p. 605
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0756