Nahita hazavana tomarataratra

Nampiditra: Belle
Sokajy: Noely, Jesoa Kristy,


  • Vavaka sy Hira p. "397
  • Fihirana Hasina p. "620
  • Ankalazao ny Tompo p. "315

(Iz. 9, 1-3, 5-6)

1 Nahita hazavana tomarataratra
 Ny vahoaka namaky ny haizim-pito;
 Namirapiratan'ilay mazava
 Ireo nogejain'ny fahoriana
       Nahafaly ny fon'ny vahoaka ianao,
       Ry Tompo Andriamanitra tsara fo,
       Ny fanahiny kosa dia ravoravo,
       Ka mirana izy anatrehanao.
 
2 Mibitaka toy ny mpijinja izy,
 Mihoraka toy ny mizara babo,
 Satria na ny bao teo an-tsorony aza,
 Na ireo tsora-kazo nakapoka azy,
       Na koa ny firitsoka nampijaly,
       Dia samy nopotipotehinao,
       Tahaka izay efa nataonao
       Ilay tamin'ny andron'i Madiàna.
 
3 Fa zaza no teraka ho antsika,
 Endrey zazalahy no nomena antsika:
 Ka indro napetraka hozakainy
 Ilay fanjakana natolotra azy:
       Ny anarany Andrianampanolotsaina
       Andriananaharimaherisandry
       Andrianarainifotoandrehetra
       Andrianatomponifiadanana.
 
4 Dia hitatra kosa ny fanjakany,
 Ka tsy hanam-petra ny fiadanana,
 Manerana ny tany ny fanjakany
 Sy eo amin'ny fiandrianan'i Davida.
       Ho marina hatrany ny fitsaràny
       Hatramin'izao k'ho mandrakizay,
       Tanteraka izany an-tsitrapo,
       Dia noho ny fitiavan'ny Ray antsika.


 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0072 s.] - Hanohana anay