Mpianakavy isika (indroa)
Samy zanaky ny Ray e,
Tsy misy avahany na hoe halany
Fa tiany hifankatia.
1 Jesoa nampianatra antsika
Ho tia ny olon-drehetra
Tsy hanavakavaka na hisaratsaraka
Fa ho iray marina tokoa.
2 Sambatra tokoa isika
Fa miaraka amin'ny Ray
Dia falifaly e ny mpianakavy
Fa ao an-tranon'izy Ray.