1 Mivory eto anio
'Zahay zanakao
Hiarahaba anao,
Ry Reny tianay!
2 Miarahaba anao
Ny Papa rainay:
Mba tsofy rano izy,
Ry Reny tianay!
Ave Maria,
Ave Maria!
3 Miarahaba anao
Ny kristianin-drehetra:
Vimbino sy arovy,
Ry Reny tianay!
4 Miarahaba anao
Izao tontolo izao:
Ampibebaho izy,
Ry Reny tianay!