Mitsimbina antsika zanany e ia e
Andriamanitra Ray e. (Mt. 6, 25-34)
1 Fa tsy mba mamafy ary tsy mijinja e ny voromanidina.
2 Fa tsy mba misasatra na mamoly ny hazo mamokatra.
3 Ny Ray no miahy sy manolokolo ny zava-boaariny.
4 Nahoana àry isika no miahiahy nefa isika no zanany?
5 Angaha tsy efa fantany fa ilaintsika ny fitsimbinany.
6 Izay hampanjaka azy Tompo aloha no asainy katsahina.
7 Omeny izay mahatontosa izany ny sisa ho fanampiny.