1. Maria Mpanjakavavy no hiraintsika anio
Ka samy asondroty ny fo hankaminy;
Ataovy antso avo ny hoby sy ny dera,
Ny sentosento koa asesiky ny fo.
Ianao Masina Maria ô, Mpanjakavavinay.
'Zahay matoky anao e, arovinao 'zahay.
2. Maria Mpanjakavavy mpanelanelana;
Ianao be fahefana fa Jesoa Zanakao;
Tsy misy tsy ho azo 'zay fangatahanao,
Ka tonga re 'zahay e hifikitra aminao.
3. Maria Mpanjakavavy indreto vory eto,
Ny zanakao mitondra 'zay mba fanatitra;
Tsy hitanay anefa 'zay tolotra homenay
Fa indro re mba raiso ny fonay tia anao.