Mankalaza anao 'zahay
1 Mankalaza anao 'zahay
Ry Maria mpanjakavavinay,
Mpanalalana mahefa,
Tokinay zanak'i Eva.
2 Ianao mpanelanelana
Eo akaikin'ny Mpamonjy
Mitalaho famelana
Ho an'ny mpanota ratsy.
3 Ianao mpizarazara
Ny haren'ny fanavotana
Mba henoy ny sentonay
Amin'ny ora mangidy.
4 Ianao no varavarana
'Zay hidiranay rehetra
Ao am-paradisa soa
Tanindrazan'ny mpandresy.