Manatòna ny hôstia

Nampiditra: Belle
Sokajy: Komonio,


  • Fihirana Hasina p. "567
  • Vavaka sy Hira p. "741
  • Fihirana Vaovao p. "337

1 Manatòna ny hôstia,
 O ry velona rehetra.
 Mifalia sy mihobia:
 Aoka samy hiova toetra.
 
2 Ny Mpamonjy be fitia
 No manasa anao anio;
 Izy miantso hoe: "Avia
 Mba handray ny kômonio".
 
Dera, haja no atolotray
Tompo sy Andriamanitra!
 
3 Ry mpanota toro fo,
 Io ny Tompo miandry anao:
 Izy ilay Mpamindra fo
 Vonona hamela anao.
 
4 Ny vesaram-pahoriana
 Manana mpanampy koa
 Hany ka ny fijaliana
 Tena miova mba ho soa.
 
5 Renay 'zany antsonao,
 Ry Jesoa Eokaristia,
 Koa 'zahay handray anao,
 'Lay manasa hoe: "Avia".


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0073 s.] - Hanohana anay