Mampahonena loatra ny ondrinao

1 Mampahonena loatra ny ondrinao, ry Tompo,
 Tsy misy mpiandry akory:
 Omeo pretra re sy relijiozy koa.
 
2 Maro ny tsy haheno ny anaranao, ry Tompo,
 Tsy ampy ireo mpitory:
 Omeo pretra re sy relijiozy koa.
 
3 Ireo tanoranao omeo faniriana
 Ho mpisoronao, ry Tompo:
 Omeo pretra re sy relijiozy koa.
 
4 Ry Maria Reninay ô, henoy ny antsonay
 Mitalaho aminao:
 Omeo pretra re sy relijiozy koa.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 563
Vavaka sy Hira p. 518
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0671