Kintan'ny ranomasina mpitari-dalanay

Kintan'ny ranomasina
Mpitari-dalanay, (indroa)
Ambeno ny sambonay, Maria ô!
Mba atodio any an-taninao, (indroa)
Maria ô!
 
1 Tsy azon-drofy aho
 Anilanao, Maria ô,
 Tsy nahiko ny rivotra mafy
 Fa ho trany angamba aho 'zao!


2 Ny tenako hilevina
 Anaty rano va?
 Misehoa, Maria, hitàna ahy.
 Mendrika aho raha tsy vonjenao.
 
3 Izaho tsy hiala
 Amin'ny tananao;
 Ianao hanamory ny sambo
 Ka hitondra ahy any aminao.

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 556
Vavaka sy Hira p. 582
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103