Kintan'ny ranomasina mamiratra

1 Kintan'ny ranomasina
 Mamiratra eny ambony,
 Tsilovy ny lalanay;
 Maria ô, ambeno ny tenanay.
 
Ave Maris Stella!
Arovy ny diany,
Ry Reny tokinay.
 
2 'Zahay miferinaina
 Etý an-tany etý;
 Manina anao, ry Maria ô,
 Ry Reny mba misehoa.
 
3 Raha tonga 'lay fotoana
 Handaozanay ny tany,
 Tongava mba hiara-dia ô
 Ho any an-danitrao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 555
Vavaka sy Hira p. 586
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0544