1 Jesoa Kristy ô,
Rahefa miposaka iny ny andro,
Ka te hamololona;
Hiara-mifoka ny tana-masoandro,
Ny tany tontolo.
Tsaroanay ny lanitr'i Betilehema,
Andro Noely!
Dia avy manatona anao izahay,
Fa te hampamokatra, eny e,
Tsirim-piadanana isan-tokonana. (indroa)
Jesoa Tompo,
Masoandron'ny fiainana.
2 Jesoa Kristy ô,
Rahefa misandratra iny ny andro,
Ka te hibaliaka
Miara-migoka ny tana-masoandro
Ny tany tontolo.
Tsaroanay ny lanitr'i Jerosalema,
Andron'ny Paka!
Dia avy manatona anao izahay,
Mba ho tafatsangana, eny e,
Hiara-misotro ny herin'ny fiainana. (indroa)
3 Jesoa Kristy ô,
Rahefa mandrorona iny ny andro,
Ka te hitandavana;
Hiara-matory amy masoandro mody
Ny tany tontolo.
Tsaroanay ny lanitry ny vohitra Oliva,
Andro Fiakarana!
Dia avy manatona anao izahay
Hifanapatapaka ahitra, eny e,
Ny amin'ny andro hiverenanao indray. (indroa)