Iraho 'zahay, ry Tompo

Iraho 'zahay, ry Tompo,
Hitory anao eran-tany
Iraho 'zahay, ry Tompo,
Hampanjaka ny anaranao.
Aleloia.
 
1 Nifidy anay ianao, ry Kristy Tomponay,
 Mba hampiharihary ny fitiavanao.
 
2 Faly tokoa 'zahay, ry Tompo maminay,
 Nandre ny antsonao sy nanaraka anao.
 
3 Ny fonao be fitia no anjara lovanay:
 Ho tia anao 'zahay tsy hivadika aminao.
 
4 Rotsahy hafaliana ny fonay mpianatrao
 Ho feno risi-po ny fiainanay tontolo.

 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 529
Vavaka sy Hira p. 517
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0591