Intý aho hihira - Nataon'Andriamanitra eo am-pelatanan'i Kristy

Nataon'Andriamanitra eo am-pelatanan'i Kristy
Ny zavatra rehetra
Ary izy no natsangany ho Tompony.
 
1 Intý aho hihira ny fiandriananao
 Ambony sy madera manoatra noho ny lanitra
 Ireo vao minono sy ireo zazabodo
 No he miantsa anao ka mitory fiderana.
 
2 Dia sina sy nangina ireo fahavalonao
 Ka moana ny mpisompatra, menatra ny rafy
 Rah'hitako ny lanitra nataon'ny tànanao
 Ny volana, ny kintana 'zay namboarinao.
 
3 Fa inona ny olona no mba tsiahivinao
 Ny zanak'olombelona he tsimbininao
 Fa lasa ambany kely noh'Andriamanitra izy
 Ka enim-boninahitra izy nasondrotrao.
 
4 Ny asan-tananao foinao hozakainy
 Ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany:
 Dia omby aman'ondry omban'ny bididia,
 Ny biby 'zay mandady sy mandia izany tany.
 
5 Ny vorona eny an-danitra sy trondron-dranomasina
 Izay miriaria sy mifaly eny ambony onja.
 Ry Tompo Andriamanitra, endrey ny anaranao
 Marevaka sy fantatry ny mponina eran-tany.
 
6 Deraina sy hobina 'lay Ray nahary antsika
 Ny Zanaka Mpamonjy natsangany ho Tompo,
 Deraina ka hobina ny Fanahy nomeny antsika
 Ho antoka hampiray ny zavatra rehetra.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 525
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741