Injay nisy feo avy any an-danitra
Niantso anao hoe:
"Ity no zanako malala
Ankasitrahako indrindra". (Mt. 5, 17)
1 Hoy i Jesoa tamin'ny Rainy:
"Ray ô, indro ny ora
Hanehoanao ilay voninahitra
Teo amiko hatrizay!"
2 Hilaozako ianareo.
Tsy ho kamboty anefa:
Homeko Mpisolovava
D'ilay Fanahin'ny Ray.
3 'Lay Fanahy Fahazavana
Hitantana anareo
Amin'ny lalan-drehetra
Hahatafita anareo.
4 Hoy i Jesoa hoe: "Izay tia ahy
Hihaino izay nolazaiko
Dia ho malalan'ny Raiko
Ka honina ao izahay".