Indro ianao tonga atý an-taninay

Indro ianao tonga atý an-taninay,
Ry Jesoa Kristy mpamonjy, arahaba.
 
1 Ny taranak'i Adama nila famonjena,
 Ny vahoakan'i Israely naniry anao tokoa.
 
2 Feno fitiavan-tena, feno filibana,
 Nanjakan'ny ady an-trano izao tontolo izao.
 
3 Ny lalàm-pitiava-namana vitsy mpanazava,
 Ka ianao no hanambara 'lay didy vaovao.
 
4 Koa misaotra anao, ry Jesoa, velona izahay,
 Vonona hiasa mafy hanara-dia anao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy - Noely
Fihirana Hasina p. 523
Fihirana Vaovao p. 25
Vavaka sy Hira p. 673
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0809