Ianao, ry Maria, no rehareha
Ianao, ry Maria, no reharehan'
I Jerosalema. Aleloia!
1 Dia ho raiki-pitia
Ny hatsaran-tarehinao ny Tompo;
Fa Tomponao izy, ka tolory fanajana.
2 Feno famirapiratana
Ny Zanakavavin'ny Mpanjaka
Ao anaty trano ny akanjony voatenona volamena.
3 Nampiakarina any an-danitra,
Arahin'ny hobin-kafaliana
Redonin'ny tafiky ny Zanaky ny Mpanjaka.