Ianao no Zanak'Andriamanitra

1 Ianao no Zanak'Andriamanitra e,
 Ianao no Mpamonjy anay e.
 
O Kristy ô, ampio
Hanahaka anao 'zahay e!
 
2 Ianao no mpitondra hafatra e,
 Antsoy ho irakao 'zahay e.
 
3 Ianao nanaiky ho olombelona e,
Hanao ny sitraky ny Ray e.
 
4 Nitory sy nanao ny marina e,
 Na zovy hankahala anao e.
 
5 Ianao namelona ny madinika e,
 Niaro sy nanafaka azy e.
 
6 Ianao nanorina ny fitiavana e
 Ho andrin'ny fiaraha-monina.
 
7 Ianao tsy tonga mba hanameloka e,
 Fa hampibebaka anay mpanota.
 
8 Ianao nanavotra ny olombelona e,
 Na dia hamoizanao ny aina.
 
9 Ianao nifidy ho mofo velona e,
 Ho aina hiombonanay e.
 
10 Omeo anay ny Fanahy Masina e,
 Hiainanay ny fitiavanao e.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 510
Fihirana Vaovao p. 518
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092