I Kristy no fiainanay

Nampiditra: Belle
Sokajy: Jesoa Kristy,


  • Fihirana Hasina p. "502
  • Vavaka sy Hira p. "640

I Kristy no fiainanay
I Kristy no arahinay
Manazava ny làlana
I Kristy Tompo.
 
1 Tsy matahotra aho, Tompo,
 Eo manko ianao
 'Zay hitantana ny dia
 Na dia sarotra.
 
2 Ny handao anao, ry Tompo,
 Sanatriaviko
 Fa hifikitra aminao
 Mandrakizay.
 
3 Raha izaho irery, Tompo,
 Mora miova ihany
 Fa ny herinao anie
 No ianteherako.
 
4 Manantena anao, ry Tompo,
 Fa hampianao
 Tsy mamitaka ianao
 Na mivadika.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0190 s.] - Hanohana anay