Hohiraiko lalandava

(Sal. 87 + Lk. 2 sy 1)

1 L. Hohiraiko lalandava ny fitiavan'izy Tompo;
  V. Hotorìn'ireto molotro ny fahamarinanao,
      Dia ny fahamarinanao tsy mba vasoky ny taona.
  L. Tafajoro ho doria tokoa ny hatsaram-ponao;
      Voaorina eny an-danitra ny fahamarinanao.
  F. Nifanao fanekena izahay sy ny vahoaka;
      Toy izao ny veliranoko amin'i Davida tiako:
  M. Ny ankohonanao hajoroko ho doria mandrakizay,
      Fiandrianan-tsy ho rava no natokako ho anao.
      Tsy mivadika ny Tompo: tontosainy 'zay nambarany.
 

  L. 'Reo tanaty haizim-pito: notarafiny hazavana;
  F. Voninahitry ny Ray manazava itony tany.
  V. Aoka tsy ho raiki-tahotra ianareo mpiandry ondry;
      Mifalia sy miravoa, mandihiza re satria:
  M. Vaovao mahafaly mbola tsisy toy izany
      No hambarako etoana haharavo ny eran-tany:
  Mif. Indro teraka / teraka androany
         An-tanàna / n'i Davida
         'Lay Mpamonjy / 'lay Mesia.

  M. Voahosotry ny Tompo Andriamanitra,
       Mpanafaka mitondra famonjena ho anareo.
 
2 L. Fa niavy sy niseho indray maka, hono, ianao
  V. Ka izao no teninao tamy 'lay vahoakanao:
      Tapa-kevitra aho hanohana olo-mahatoky iray
  L. Sy hanandratra zatovo terakao vahoaka tiako.
      Ny mpanompoko Davida no nironan'ny safidy:
  F. Ka ny solika nahosotra efa nahamasina azy.
      Eo ny tanako mahery mba ho tehina hamindrany.
  M. 'Zany sandriko mahefa hampahery azy hatrany.
      Velirano 'zay nataoko tontosaiko ho lavorary.
      Tsy mivadika ny Tompo: tontosainy 'zay nambarany.
 
  L. Aoka tsy ho raiki-tahotra ianao, ry Maria;
  F. Aza revon'adin-tsaina, maneke ianao satria
  V. Niantefa taminao ny safidin-Janahary,
      Voafidiny ho Renin'Andriamanitra ianao.
  M. Indro ianao no hanome ilay anarany: Jesoa e.
  Mif. Handrandrain'ny / ny fireneny
         Ka hantsoiny / hoe Mesia,
         Ary ny seza / fiandrianan'i
         N'i Davida / razambeny.

  M. No hatolotry ny Tompo Andriamanitra,
       Ny Tompo Andriamanitra Mahery mba ho azy.
 
3 L. "Ianao no tena Raiko", izay no hiantsoany ahy;
  V. "Andriamanitra no vonjy, Vatolampy ho an'ny aiko".
      Izaho kosa hanandratra azy ho matoan'ny mpanjaka,
  L. Ho Mpanjaka fanaperana am'ireo andrian'ny tany.
      Firenena zavon-tany no hatolotro hozakainy,
  F. Ka haharitra doria mandrakizay ny fanjakany,
      Ho eo imasoko hatrany no ijoroan'ny fahefany.
  M. Ny masoandro sy ny volana mafy orina eny ambony
      No fambara mahatoky: mampijoro izay lazaiko.
      Tsy mivadika ny Tompo: tontosainy 'zay voalazany e.
 
  L. Amin-kery mahagaga no hanaovany an'izany:
  F. Ry Maria Virjiny... ny Fanahin'izy Ray,
  V. 'Lay Fanahy mpitondra aina no hirotsaka aminao,
      Dia ny herin'izy Tompo, loharano tsirin'aina.
  M. Noho izany dia ho masina ilay haterakao,
       Tena zanak'Andriamanitra ilay ho zanakao.
  Mif. Izy Ray / tsy mivadika
         Amy teny / 'zay nekeny
         Nahatonga / sy nanandratra
         Ny Zanany / ho Mpanjaka

  M. No tolorantsika dera sy laza
       Sy hanandratantsika saotra, Amena!

Nampiditra Belle
Sokajy Noely - Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 336
Fihirana Hasina p. 498
Vavaka sy Hira p. 317
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.019