1 Ho hitako i Maria Reny tsara!
Mba mamiko 'zao antenaiko 'zao.
Ny foko faly mihevitra izany,
Ary miventy izao hirako izao.
'Zao no antenaiko, ry Maria,
Ny hihaona any an-danitra aminao.
2 Zanany aho, satria natsangany,
Ary nomeny hasoavam-be.
Sorisorena ny foko mitady
Ny Reniko mbola tsy hitako.
3 Ny vavako tsy mba mety ho sasatra
Hiventy hira sy fankalazana,
Ary ny foko tsy mahay mitsahatra
Misentosento miantso anao.
4 Ny sarinao mahafaly ny foko
Amin'izao fahoriako izao;
Ho sambatra aho hahita anao maso
Mandrakizay any anilanao.
5 Mba ela loatra izay andro hihaonana
An-danitra any aminao, ry Maria!
Faingàna, ry andro mahafinaritra,
Mba hahitako 'zay Reniko 'zay!