Ho anao, Maria e,
Ny fonay rehetra:
Reninay valio )
Ny fonao'zahay.) (indroa)
1 Be ny kotro-baratra
Mandrahona anay;
Ampangino izy
Fa atahoranay.
2 Misy hela-baratra
Atahoranay!
Mba sakano izy
Tsy handratra anay.
3 Be ny onjan-drano
Hanafotra anay;
Mba toneo izy
Hitodianay.
4 Tsilovy ny dian'
Ny mpanomponao;
Ka tariho izy
Amin'i Jesoa.