Faly sy ravo aho

Nampiditra: Belle
Sokajy: Salamo,


  • Fihirana Hasina p. "462
  • Vavaka sy Hira p. "356

(Sal. 121)

Faly sy ravo aho raha nilazana hoe:
Ndeha isika ho any an-tranon'i Iaveh.
Aleloia! Aleloia!
 
1 Ry Jerosalema, indreto izahay
 Fa tody soa aman-tsara am-bavahadinao.
 
2 Ry Jerosalema, tanàna mafy orina
 Sy vato fehizoron'izao tontolo izao.
 
3 Ry Jerosalema, aoka hanjaka aminao
 Fiadanan-tsy hay lazaina mandrakizay doria.
 
4 Ry Jerosalema, tolory voninahitra
 Ny Tompo Andriamanitra fiadananao.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0076 s.] - Hanohana anay