Fa satria tia antsika e Andriamanitra.
1 Moa ve misy mahasaraka amy Tompo?
Fahoriana, fahantrana, fihafiana,
Ny mosary, sa ny loza, sa ny vono?
2 Tsy mihontsona amin'izany anefa isika,
Fa vao mainka koa mihoatra ny mpandresy,
Fa satria i Jesoa Tompo tia antsika!
3 Na ho faty na ho velona isika,
Na anjely, na ireo mpanohitra azy,
Na 'zao androntsika 'zao na ny ho avy!
4 Na 'reo zanahary ambony na ny ambany,
N'inona n'inona am'izao tontolo izao,
Dia tsy misy manan-kery amintsika!
5 Tsisy afaka manery antsika hiala,
Tsy hoalofan'ny fitiavan'Andriamanitra
'Zay niseho tam'i Jesoa Tompontsika!