Fa ianao no Ray

Nampiditra: Belle
Sokajy: Andriamanitra Ray,


  • Fihirana Hasina p. "456
  • Vavaka sy Hira p. "784
  • Fihirana Vaovao p. "532

Fa ianao no Ray e (fa ianao)
Fa ianao no aiko (fitiavanao)
Ny fitiavanao e (iainako)
No iainako.
 
1 Andro aman'alina no iderako
 Ny anaranao, Ray be fitia;
 Fa manimanina ny tavanao,
 Miaraka amin'i Jesoa Kristy.
 
2 Matoa mihetsika aho, matoa miaina
 Velominao, Ray be fitia;
 'Zany fanahiko fonenanao,
 Miaraka amin'i Jesoa Kristy.

3 Zaza mpandany aho no raisinao,
 Fihininao, Ray be fitia;
 Ka ny fitiavanao hotantataraiko,
 Miaraka amin'i Jesoa Kristy.
 
4 Ny andro iainako, ny fofon'aiko
 Atolotro ho anao, Ray be fitia;
 Te hampanjaka anao, ka raiso aho,
 Miaraka amin'i Jesoa Kristy.
 
5 Tsy izaho irery anie no zanakao,
 Fa marobe 'zahay, mifankatia,
 Miara-dalana ho any aminao,
 Miaraka amin'i Jesoa Kristy.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0076 s.] - Hanohana anay