Fa Andriamanitra anie dia fitiavana e

Fa Andriamanitra anie dia fitiavana e
'Zay mitoetra ao amin'ny fitiavana
(Dia mitoetra) ao amin'Andriamanitra
(Ary Andriamanitra) Andriamanitra anie
Ao aminy. (1 Jn. 4, 6)

(Sal. 14)
 
1 Tompo ô, iza no hiantrano ao an-dainao?
 Zovy no honina ao am-bohitrao masina?
 
2 Dia izay mizotra tsy aman-tsiny
 Sy mitandro ny rariny:
 
3 Milaza izay tena ao am-po
 Tsy mamela ny lela haniasia,
 
4 Tsy manisy ratsy ny namana
 Na manebaka ny miara-monina,
 
5 Tsy manao ny olo-meloka ho zavatra
 Fa manaja izay matahotra ny Tompo;
 
6 Tsy mivadika amin'ny teny nomena
 Na dia hahasingo-tena aza;
 
7 Tsy mampanàna vola,
 Na mandray kolikoly hahavoa ny madio.
 
8 Izay manao izany
 Tsy hihontsona mandrakizay!

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 28
Fihirana Hasina p. 454
Fihirana Vaovao p. 192
Vavaka sy Hira p. 253
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094