Eny e, sasa-poana
'Zay manohitra an'Andriamanitra e,
Sasa-poana.
1 'Zay manohitra ny fisiany e, sasa-poana,
'Zay mandositra ny fitiavany e, sasa-poana.
2 Mba miezaka te hanorina, fa sasa-poana,
Tsy matoky ny Avo indrindra, ka sasa-poana.
3 Mba miambina hamotsy andro, fa sasa-poana,
Manakifika an'Andriamanitra e, sasa-poana.
4 Na mahomby toa igagana, dia sasa-poana
Tsy hijinja ny voa nafafy, ka sasa-poana.
5 Any ankoatra vao mahatsikaritra fa sasa-poana
Tsy nandresy ny Avo indrindra, ka sasa-poana.
6 'Zay manompo ny Avo indrindra hotsimbinina,
Na vonoina, tsy mety maty, fa toy ny marina.