Eny, imbetsaka Andriamanitra

1 Eny, imbetsaka Andriamanitra niteny,
 Tamin'ny fomba maro samihafa,
 Tamin'ireny ntaolo razantsika ireny,
 Ka ireo mpaminany notsiloviny
 No nitenenany fahiny.
 
2 Amin'ny vanin'andro farany izao,
 Indro ilay Zanany mihitsy,
 Ilay voatendry ho mpandova ny tontolo
 Sy nahariany izao rehetra izao,
 No nitenenany amintsika.
 
3 Io Zanany io no hazavan'ny voninahiny
 Sy endriky ny Rainy Andriamanitra,
 Ka mampaharitra izao rehetra izao
 Amin'ny herin'ny teniny,
 Dia ny teniny mahefa.
 
4 Nony efa vita ny fandiovana ny ota
 Dia mitoetra any ambony izy,
 Eo ankavanan'Andriamanitra Rainy,
 Eo amin'ny seza fiandrianany
 Any amin'ny avo indrindra.
 
5 Io Zanany io no hazavan'ny voninahiny
 Sy endriky ny Rainy Andriamanitra;
 Lasa ambony noho ny anjely izy Tompo,
 Fa ambony ilay anara-nolovàny:
 Hafa noho ny azy ireo.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 344
Fihirana Hasina p. 446
Fihirana Vaovao p. 507
Vavaka sy Hira p. 649
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009