Diso taminao aho, Tompo ô

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fifonana,


  • Vavaka sy Hira p. "510
  • Fihirana Hasina p. "433
  • Fihirana Vaovao p. "12

Diso taminao aho, Tompo ô,
Nefa re tsarovy fa zanakao.
 
1 Toneo re ny fonao, Tompo ô,
 Aza tsarovanao ny heloko:
 Ireo tanànanao zary efitra,
 I Jerosalema efa fongotra.
 
2 Nanota re 'zahay, Tompo ô,
 Nafeninao anay ny tavanao:
 Havelanao ho faty va re 'zahay?
 Tsarovy i Davida mpanomponao.
 
3 Jereo ny fahantranko, Tompo ô,
 Iraho ny Zanakao hanavotra;
 Mifona re, mifona, ry Tompo ô,
 Henoy ny antso: "Vonjeo 'zahay".
 
4 Mionòna, mionòna, ry vahoakako,
 Mionòna fa efa akaiky ny vonjy ho anao,
 Fa izaho no Tompo Andriamanitrao.
 Diso taminao, Tompo ô,
 Nefa re matoky fa zanakao.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0122 s.] - Hanohana anay