Derao ny Tompo fa tsara indrindra - Izao no andro nataon'i Iaveh

Izao no andro nataon'i Iaveh:
 Mifalia, miravoa, Aleloia.

(Sal 117)
 
1 Derao ny Tompo fa tsara indrindra:
 Mandrakizay ny hatsaram-pony.
 Lazao, ry fokon'i Israely:
 Mandrakizay ny hatsaram-pony e.
 
2 Maneho hery ny tànan'ny Tompo,
 Nanandratra ahy ny tànany masina.
 Tsy maty aho fa velona
 Mba hitanisa ny asan'ny Tompo e.
 
3 Ny vato narian'ny mpanao trano
 No indro tonga vato fehizoro.
 Ny Tompo ihany no mahavita izany,
 Ary zava-mahagaga eo imasontsika e.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 427
Vavaka sy Hira p. 349
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0702