Aza irinareo e ny fanahin'olon-dratsy

Nampiditra: Belle
Sokajy: Andriamanitra Ray,


  • Vavaka sy Hira p. "781
  • Fihirana Hasina p. "420
  • Fihirana Vaovao p. "517

Aza irinareo e ny fanahin'olon-dratsy,
Aza tahafina e, na jerena toa mahomby:
Ny ahi-dratsy anie hodoroana!
Ny olo-marina e no handova ny tany,
Zanaky ny Ray e ka hitsangan-ko velona:
Mandrakizay ny hasambarany.
 
1 Mba mivavaka aho, mba miezaka,
 Nefa sasa-poana, toa hadino e;
 Izy kosa anefa dia voatsimbina,
 Tsy mataho-tody vao ambinina e:
 Fa nahoana loatra, ry Ray ao ambony? (indroa)
 
2 Mba mijoro aho ho an'ny marina,
 Fa vao mainka esoina sy enjehina e;
 Izy kosa anefa dia henoina,
 Fa mamafy lainga vao deraina e:
 Fa nahoana loatra, ry Ray ao ambony? (indroa)
 
3 Mba mamelona aho, mba mangoraka,
 Vao ankahalaina sy fofoina e;
 Izy kosa anefa dia tiavina,
 Fa mandatsaka aina vao asandratra e:
 Fa nahoana loatra, ry Ray ao ambony? (indroa)
 
4 I Kristy Mpamonjy, raha banjiniko,
 Na tsy manan-tsiny, dia vonoina e;
 Ny mpanenjika azy mbola maro,
 Ka mirehareha fa mandresy e:
 Fa nahoana loatra, ry Ray ao ambony? (indroa)
 
5 Na mirobona aza ny ahi-dratsy,
 Vetivety foana dia malazo e;
 Fa ny olo-marina dia haharitra:
 'Zaho Andriamanitra no fiainany e.
 Fa nahoana loatra, ry Ray ao ambony? (indroa)


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0076 s.] - Hanohana anay