Avia atý, ry mpanota maditra

Nampiditra: Belle
Sokajy: Jesoa Kristy, Fo Masin'i Jesoa,


  • Vavaka sy Hira p. "570
  • Fihirana Hasina p. "415
  • Fihirana Dera p. "124

1 Avia atý, ry mpanota maditra,
 Dinihonao ny nataon'i Jesoa,
 Ka ny fonao ataovy maim-pitia
 Faingàna re fa miandry anao Jesoa.
 
Eny, ry Jesoa, ny afonao re
No mampirisika anay ho tiana ao.
Ovaonao re ny fonay vato
Mba hanekenay ny teny anatrao. (indroa)
 
2 Eo ambonin'ny ôtely masina
 No iandrasan'i Jesoa antsika
 Ho sorontsika sy mpanalala-masina:
 Saotra sy dera ho anao Jesoa.
 
3 Tsy resy va ny ditranao, fo ratsy,
 Raha mijery ny Fon'i Jesoa?
 Faingàna re mba hamaly fitia.
 Tsy ampy va ny nataony ho anao?
 
4 Moa ho folaka andry iankinana
 Izay matoky ny Fonao, Jesoa?
 Tsy ianao va ilay miantso lava:
 "Avia atý, ry ondry keliko!"


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0076 s.] - Hanohana anay