1. Misononoka mora
Miakatra an-danitra any
Maria Virjiny madio
Otronin'ny anjely maro.
Fiv:
Maria ô, izao no antenaiko;
Raha tonga ilay farandroko
Avia re ka ento aho
Anilanao mandrakizay
2. Ianao izao, Maria ô,
Manjaka an-danitra any.
Kanefa re mba tsarovy
Ny zanakao an-tany aty.
3. Ny masoko, ry Reny
Tsy sasa-mijery anao
Finaritra aho isan'andro
Mibanjina ny sarinao.
4. Herezo aho, maria ô,
Fa malemy sitra-po,
Tohany re tsy ho lavo
Fa be ny fandrik'i Satàna.
5. Raha misy alahelo,
Manjò ity zanakao.
Mba fohy ny ranomaso
Mameno ny tarehiko
6. Tolory tanana aho
Fa te hanaraka anao
Tantano aho, Maria ô,
Ho tody soa an-danitrao.