Misaotra Terezikely

Efa ela no naharenesanay
Ny anaranao malaza tokoa
Nolovainao tamin’ilay Reninao
Satria mitondra soa
Terezin’I Jesoa ‘lay nanavao
ny fianakaviana Karmely
Mamy hoditra hatraiza hatraiza
ka toa tantely
Eto aminay koa izany
harena soa izany ka hoy izahay hoe:
Miaraha misaotra an’ilay Nahary
Tsitoha sady lehibe.
 
Misaotra Terezikely,
misaotra anao izahay e !

Mankasitraka, mankamamy,
mankatelina ny havanao e !

Tsy hifanadino isika na hoe hifandao
Tsy hifanadino isika
na hifandao ao an-danitra ao!

 
Ao ireo Masera sy ireo Mompera
nahafohy tena,
nandao havan-tiana
Satria mbola maro ireo ondry very,
mitady lalana sy hovangiana
Maro amin’Izy ireny
no efa nandao anay
ho any sy nialoha lalana
Ao an-danitra  ao,
misy anao no tena izy
ka tsy azo tanana.
Tsy vitsy koa ireo nandimby azy
izay milofo mafy amin’ny fiainana
Mba ampio re izy ireny,
fa Ianao tokoa no hitarainana.
 
Raha hifandao isika ry Terezikely
tsy sanatria hoe hisaraka eto
Ho henonay lalandava
ilay vonin-draozinao
izay manentohento
Ny asa faran’izay madinika
ataonay amin’ny fiainana isan’andro
Ny hafaliana sy haravoana
izay navelanao ho entinay mitandro
Ny fampianaranao sarobidy,
harena ho an’ny Fiangonana Reninao
Isika izao no mpianakavy,
hatrety an-tany ka hatrao an-danitra ao.
Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Fisaorana - Olomasina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731