Paka Père Sergio

O ! ry Kintana manjopiaka,
mitari-dalana anay
O ! ry volana mibaliaka,
ho famantarana anay
Iraky ny Fiangonana,
mpamaky lay fikambanana
Pretra Karma filamatra,
nampanjaka ny fitiavana
 
Jaobily volafotsy e!
nisantaranao ny lanitra
No tsiahivinay etoana e!
ny herim-po izay nanananao
Ry Mompera Sergio,
ambioka mahavokatra
Hampamiratra ny ampitso,
na lohataona na haizim-pito
 
Nasehonao niharihary e!
fa rehefa levona ny vary

Dia manoloana indray,
fitodihana any amin’ny hafa indray

Fahafoizana tena,
fanolorana ny aina

Izay miseho ho sedraina,
na hiala aza ny aina

Tsy nahalavi-tany e!
nahafoy ny Havana tena mamy

 
Tolona hoy ianao
ny fiainana sy vavaka
Tsy vitan-tsento sy toloko,
hantahanta
Fa andraikitra noraisina,
safidy masina sy soa
Hiarovana ny marina
toky tamin’I Jesoa
Tolona hoy ianao
ny fiainana sy vavaka
Tsy vitan-tsento sy toloko,
hantahanta
Hitolomana ny rariny e!
n’inon’inona ho sandany
Ny marina tsy mba lo,
tsy voavidy vola koa
 
Ny vatana mangatsiaka,
rotidrotiky ny jaly
Ny loha very,
ny tsinay voadotra mahamay
Nify sy sandry niala koa,
ny ra ritra avokoa
Ka nandao ity tany
ilay mpisoron’ny avo
 
Toa montsamontsana
ny amin’ny tontolo e!
Nefa indro fa mitsimoka,
ireo solofony hikolo
Manambara aina vao,
mitory hery vaovao
Ny fitiavana maharesy,
ny fahotana izay misesy
N’inon’inona tomany,
n’inon’inona toloko
Ny hirifiry ho paka hatrany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0754