Tsapako

1-  Tsapako,
Tsy vitsy ireo miandry
ny andro izay hiantodiako
Nefa anie ity izaho,
mbola hiakatra fiakarana mideza
Tohano aho (in-2),
Mba ho tody soa amin’ny làlana
Araho am-bavaka aho (in-2)
Raha tany tianareo.
 
Tsy hitoky amin’ny hery ananako aho e
Fa làlan-tsarotra
Mideza, feno tsilo no hizorako
K’izao no ambarao
amin’ireo mahatsiahy e:

Ombao vavaka hono hoe,
Raha tany tinareo

 
2- Na eo aza anefa,
Ireny olona manohana ahy ireny e,
Ianao ry Ray ô!
no mbola lohany amin’izy rehetra ireny
Tantano aho (in-2),
mba ho tody soa ny làlana
Tahio re (in-2),
’ty zanakao tsy ho lavo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092