Tena babo

Nampiditra: louvamifaly1
Sokajy: Antson'Andriamanitra,


1-  Tena babon’ny fitiavanao tokoa izany fiainako,
Tsy nahita tory aho fa nifoha vao maraina;
Tena babon’ny fitiavanao tokoa izany saiko
Izany no nanosika ahy hikalo izao hira izao:
 
 Tsy manenina aho Jesoa ô, manana Anao
Isaorako lalandava ny Anaranao
 
Ny foko mitempo ao anatiko ao:
Noho Ianao Jesoa,

Nametrahanao ny fitiavanao mandrakizay tsy ho lo
Izaho kosa anefa ity manalavitra Anao
            Tsy manenina aho Jesoa…
 
2- Tena latsaka tanatiko tokoa izany antsonao,
Ka nandrisika ahy hikaroka ny tavanao vao maraina;
Tena latsaka tanatiko tokoa izany Teninao,
Ka nanentana ny vavako hiventy izao hira izao:       
 
Tsy manenina aho Jesoa ô...


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0073 s.] - Hanohana anay