Foiny manontolo izao tontolo izao,
Ka i Jesoa Tompo no narahiny
1- Ray aman-dreny niteraka azy e!
Zoky sy zandry nihantahantana e!
Indro nilaozany ho an’i Jesoa
E, e, tena marina
2- ‘Lay tanindrazana niaviany
Nahatamana, nankamamìny
Indro nilaozany ho an’i Jesoa
E, e, tena marina
3- Reo havan-tiana sy ireo sakaiza
Miara-mifaly hatrany hatrany
Indro nilaozany ho an’i Jesoa
E, e, tena marina