Ankiniko Aminao

Nampiditra: louvamifaly1
Sokajy: Antson'Andriamanitra,


1-  Ankiniko aminao ny fiainako rehetra,
Ry Tompo Andriamanitra ô
Mamaky haizim-pito sy lala-mangina,
Ka maro ny fandrika
 
Ray ô, ankiniko aminao
Fa sarotra anie ny lalan-kalehako
Ianao no mitantana ny diako, ry Tompo
Ka tsisy atahorako,
Afaka aretina, afaka adin-tsaina ka io no hisaorako
 
2- Eny matoky Anao satria,
Avy aminao aho Ray
Nandresy ny ota nataoko tety,
Ka io no isaorako


3- Kapoaka mangidy sy rotsan-kazo,
No omen’Andriamanitra
Zakaiko na mora na sarotra izany,
Hahazahoako ny lanitra

Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0270 s.] - Hanohana anay